Ny hafatr'i Neny

Noraiketiko ho volan'ny fitiavana ity volana aogositra ity, satria anisan'ny nahitako ny fitiavana mamy indrindra teo amin'ny fiainako. Vao nandray enim-bolana manko Idealy d'efa hita sahady fa mizara hafaliana sy fitiavana amin'ny manodidina azy, tsy dia hoe manana manodidina betsaka hifaneraserana akory Izy fa , izaho neniny izay ny 99% ny fotoana dia iarahanay avokoa. Tsy avelan'Idealy manao raharaha mihitsy aho fa izarany itiavana foana hono. Io fitiavana lazaiko anareo io , dia ilay fampinonona tsy ankijanona na dia fa tena misakafo ara-dalana aza. Tena hita sy tsapa tokoa ny fifankatiavan'ny reny sy ny zanaka rehefa tsy miasa ny reny.Tsy mifidy olona mihitsy izy. Ary sariaka lalandava.

Ka izay no hafatro aminareo reny rehetra , rah mbola azo atao dia aleo tsy miasa aloha mandra-pisara-nono ny zaza, fa na ny olona eny ivelany aza dia mahatsapa fa ampy fitiavana ny zanakareo.