NY VAOVAO MOMBA AHY FARANY

Enim-bolana t@ 22 juillet teo aho. Efa manomboka misakafo. Tsy mifidy hohanina mihitsy. Na fromage, na koba, na heinz farley's, ...
Efa hendry kely izaho fa ampinonona fotsiny dia matory amin'ny alina. Fa rehefa sorena indraindray ihany aho vao bedin'i neny ary matetika voakapoka.

Ny zavatra tena tiako dia ny manao douche sy milalao rano. mamikitra mafy aho raha vao esorina ao anaty koveta fa tsy te hiala mihitsy.

Natao batemy t@ 26 juillet teo aho dia lasa zanak'Andriamanitra kely. Mbola ho hitanareo manaraka eo ihany ny sary rehetra.